<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>693</hymn_number>
<title>Ao ambony ny lapan'ny Ray FFPM693</title>
<lyrics>[V1]
 Ao ambony ny lapan'ny Ray,
 Ao an-danitra feno ny soa,
 Hasambarana mandrakizay,
 Kristy soa no iriko tokoa,
 // Kristy soa, Kristy soa
 No iriko ho ahy tokoa //

[V2]
 Misy tsara ihany atý,
 Mba ho santatra eto izao ;
 Fa tsy mety ho toy ny arý,
 Ka iriko tokoa mba ho ao,
 // Kristy soa, ..sns. //

[V3]
 Ny voavotra ravo izao,
 Afaka ota ka faly tokoa,
 Afa-paty izay tonga ao,
 Afa-doza, mahazo ny soa,
 // Kristy soa, ..sns. //

[V4]
 Tsy ny lanitra be zava-tsoa,
 Fa ny Tompo malalaka ao ;
 Tsy mba tahotro helo tokoa,
 Fa ny Tompo tsy foiko izao.
 // Kristy soa, ..sns. //</lyrics>
</song>